Ho avy ve (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Choeur:
Ho avy ve?...
Sao ela be?...
Tongava hoy aho...

Izay hitako toa ianao avokoa
Ny maso moa no toa mandroroa
Ireo fiara mandalo
Sao ianao efa any
Izaho mitaintaina irery
Fa sao tsy misy mpijery

Refrain:
Ho avy ve ? (choeur)
Ho avy ihany sa tsia?
Sao ela be? (choeur)
Mangina irery aho aty
Tongava hoy aho ( choeur)
Sao lahy dia sanatria
Maty aho raha tena izay no izy.

Fidoboky ny fo, misamboaravoara tokoa
Tsemboka ny loha, aiza ihany ianao
Ny masoandro efa ho dify
Ny akanjoko manify dia manify
Handao avy eo ny hafanana
Izaho efa tsy tamàna

Bridge:
Efa amin'ny efatra sy sasany
Azoko sary an-tsaina ianao
Efa hiainga handao
Mikenokenona hanidy birao
Fa hitsena sy haka ahy

Refrain: ...
(miverina indroa).
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 3280
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rlafatra88
Daty : 30/12/2018 16:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736