Bedy (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Bedin’i Dada aho raha misakaiza amin-indry
Bedin’i Neny aho raha manambady andry
Bedin’i Zoky aho raha indry no hizarana fitia
Bedin’ni Zandry aho fa ho rava angamba izy ity
Tena bedy aho reitsy fa tsy haratsian-doha sanatria
Efa mihoatra ny fefy ka aleo dia mizara ny dia

I Dada mihitsy anie nahita anao nandeha
BMW an’ny vazaha be
Mody aferafera mihidy aman-trano ela
Miverina avy any efa mamofompofon-dabiera

I Neny aza gaga fa nahita anao tsy nahy
Nifampitantana teny an-tsenan-joma
Izaho aza niala pà angamba cousin-ny hoy aho
Inona akory fa mba henatr’olona ny ahy

Satria tsy tarehy no vadiana
Ny harena aza mbola aoriana
Ny fanahy mantsy no tsy voavidy vidiana
Na hiova aza ianao toa tsy ho tafavoaka
Tsy ny tany no fady fa loza ny vavam-bahoaka
--------
Rohy:
Hevitra
PAPAPERA ( 25/04/2018 11:28)
mlay ka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 3282
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 08/02/2017 14:57
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0869