Ahiahy (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Harivariva feno visavisa
Amoron-drano mikoriana
Tsilovin-kintana an'alinkisa
Manoratra fa lavi-tiana
Ny ahiahy tsy hihavanana
Mba mampatsiahy ilay toky vita
Ho ela mantsy ny fianarana
Mino aho fa ianao tsy haditra

Lavitra maso, lavitra fo
Ny ela hono maha-iray roa
Ny atý tsy miova, toy ny taloha
Hendry tsara , tokam-po
Ny taratasy no hiangaviako
Mba manorata ! Izay no tiako
Handefa foana aho, tsy hanenina
Raha mbola misy koa ny penina

Harivariva feno fanahiana
Ka lava soratra tsy nahy
Teny kely tiako ho valiana
"Ianao ve mba mahatsiaro ahy ? "
Miandry aho ! Miandry foana
Hiandry anao tsisy tomika
Ekeko fa mbola aman-taona
Mino aho fa ianao tsy haditra

Lavitra maso, lavitra fo
Ny ela hono maha-iray roa
Ny atý tsy miova, toy ny taloha
Hendry tsara , tokam-po
Ny taratasy no hiangaviako
Mba manorata ! Izay no tiako
Handefa foana aho, tsy hanenina
Raha mbola misy koa ny penina



Tonony sy feony : Hery-Tiana
Fandrindrana zavamaneno : Hery-Tiana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 2241
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 20/04/2018 15:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728