Saholy fofom-badiko (RD7 Morondava)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na ho telopolo taona no hifindra ho any an-dafyanao
Izaho aty miandry foana aty, Saholy
Saholy a, na ho telopolo taona no hifindra ho any ianao
Nefa izaho miandry foana

Tohizo foana re ny fianarana izay atao
Fa izaho vonona ny hanohana anao
Raha sendra ka tafita ange ianao ao aoriana
Dia tsy hisy ho antsika ‘reo tsilom-pahoriana

Na ho telopolo taona no hifindra ho an-dafy
Izaho miandry foana aty, Saholy
Saholy a, na ho telopolo taona no hifindra ho an-dafy
Nefa izaho miandry foana

Aza kivy re, Saholy, fa izaho eto ihany
Ny fianarana aza hadino fa ezaho hatrany hatrany
Mikeleza saina mafy raha misy ny tsy vita
Fa izaho tsy mankaiza fa miandry anao tafita

Na ho telopolo taona no hifindra ho any an-dafy
Izaho aty miandry foana aty, Saholy
Saholy a, na ho telopolo taona no hifindra ho an-dafy
Nefa izaho miandry foana

Raha manimanina ahy dia ny hirako hiraina
Ry Saholy fofombady fa hamalifaly saina
Ny manonona ny anarako aza hadino imolotrao
Ka modia re, malala, fa satria tiako ianao

Na ho telopolo taona no hifindra ho any an-dafy
Izaho miandry foana aty, Saholy
Saholy a, na ho telopolo taona no hifindra ho an-dafy
Nefa izaho miandry foana
Saholy a
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RD7 Morondava
Vangy : 852
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/04/2019 10:22
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117