BITSIKA (RAZAFIMAHATRATRA RENE)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
-Te hanontany anao ry olona iny
te hibitsika fitia ny ato an-tratrako
aza heverinao adàla aho
raha namboraka izany
fa fitia te hifampomba hatrany hatrany(2 fois)

tsy hasandratro vola na harena
satria ny fitia tolotr’anjara nomena ho ahy sy ianao ho doria
ka ny foko ato anaty
ho atolotro ho anao
mandra-maty toa lamban’akoho aina no fetra

na dia miteny @ fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho
kanefa tsy manam-pitiavana
dia antsoiko aminao
zava-poana e (2 fois) satria izaho sy ianao
olombelona mitafy nofo ihany

- te hanontany anao ...
te hibitsika fitia..
....
fa fitia te hifampomba hatrany hatrany.
.....
.....


zava-poana e (2 fois) satria izaho sy ianao
olombelona mitafy nofo ihany
olombelona mety tsotra ihany...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RAZAFIMAHATRATRA RENE
Vangy : 3899
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lemenakely
Daty : 21/06/2006 15:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2858