- BITSIKA - (RAZAFIMAHATRATRA RENE)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Te hanontany anao aho ry olona iny
Te hibitsika fitia ny ato an-tratrako
Aza heverinao adàla aho raha mamboraka izany
Fa fitia te hifambomba hatrany hatrany.


Tsy hasandako vola, tsy hasandako harena
Satria ny fitia tolotr’ anjara nomena ho ahy sy ho anao ho doria
Ka ny foko ato anaty no atolotro ho anao
Mandra-maty toa lamban’ akoho, aina no fetra.


Na dia miteny amin’ ny fitenin’ ny olona sy ny anjely aza aho
Kanefa tsy manam-pitiavana dia tsoriko aminao
Zava-poana e, zava-poana e
Satria izaho sy ianao olombelona mitafy nofo ihany .




RAZAFIMAHATRATRA René
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RAZAFIMAHATRATRA RENE
Vangy : 4189
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : BrunoPAYET
Daty : 27/07/2014 12:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722