Tsy ho mpandalo (Ratary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ela ihany no naniriako mba handalo
Nefa hatramin'izao aho
Mbola lavitra anao ihany
Na ny foko izao aza, mitempo anao lalandava
Ny masonao mijery ato an-tsaiko tsy ho rava

Fitiavako anao iny tsy ho foy tsy hatakalo
Aza omena tsiny aho raha tsy hijanona ho mpandalo

Na ho maloka aza ny endrikao no hanazava
Na mila hampamoy fo ianao ihany no ao an-doha e!
Fa ny antsika roa izao tsara joro tsara voatra
Ireo zava-nisy omaly tsy ho lefin'ny androany

Fa ianao irery ihany tsy ho foy tsy hatakalo
Fa ianao irery ihany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ratary
Vangy : 1448
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 28/03/2015 20:14
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012