Mozika iray (Ratary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mozika no nampiray antsika ry akama
Ilay mozikan'ny nosy mozika mafana
Na avy lavitra io na eto an-tanàna
Ho asiantsika bal eto fa haingana, fa haingana

Tsa haiko koa ndra iha ndra iha
Tsa olo be vozo ndra kely mahia
Tsy soa ty tara fa ndao amizay
Fa aleo ty androany toa zay amaray

Hiara-hikorana aminao zah androany
Hiarak’hitsinjaka, hibaly izy aminahy
Hiara-hikorana aminao zah androany
Hiarak’hitsinjaka, hibaly izy amizay

Tsy misy ny ambony tsy misy ny ambany
Fa raha ny mozika iraisana hatrany
Na olona iza io na avy aiza ry tary
Fiarahantsika hitohy hatrany

Fa iha ma koa tsy tea ho faly
Hiaraka hirevy tsy asiana alialy
Zay iray abiaby ataontsika eto le nama
Tsy misy kimiala fa efa mafana
Asio amin’izay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ratary
Vangy : 1483
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 28/03/2015 21:19
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114