Kibo saoky ny nahiny (Rasamy Gitara)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fitiavana akory tsy sazy
Fa kibo saoky ny nahiny ny azy
Tsy anaovana teny amboletra
Ny safidin’ny fo no mba fetra

Ny fitiavana voatsanga-kiady
Ka any an-kafa zareo mba mitady
Ny aty tsy azo jokojokoina
Tsy azon’olona lotolotoina

Ny anay ny fitia dia fitia manan-kambo
Lolon-javatra, lolon’atambo
Raha omena vao maika tsy mila
Izay mitoraka an’io kely ila



Tonony : Elisa Freda
Feony : Rasamy Gitara
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rasamy Gitara
Vangy : 849
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 10/10/2018 18:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2398