You are here: home > Tononkira > Rasamy Gitara

Hikopak’elatra ho aiza ny vorona ? (Rasamy Gitara)


Hikopak’elatra ho aiza ny vorona ?
No toa misosa ka mandalo farihy
Tsy orana, tsy Erika na zavona
Fa hikopak’elatra toa mandihy

Lany ve ny fitia
No toa manainga ny dia
Tsy tamana ve ka hifindra
Hiova ve ka hiTsiky dia ampyfindra.

Izahay anie ka tsiriry ahitra
Ka maniry ny hiorim-paka
Tsy hihoa-pefy toa sorohitra
Fa arosy ka ao no laka

Ataoko veloma ianao raha tsy tamana
Ataoko masina raha tsy ho tana
Fa ianao kosa hikopak’elatra
Izaho tsy mba hanjoretra.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Rasamy Gitara
Mpamaky : 78
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 10/10/2018 18:10:01
ID : 11035

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo