Fahatsiarovana (Rasamy Gitara)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsaroako tsy mety hadinon'ny saiko
Ny zava-niserana fony tanora
Toa aloka fotsiny nefa voaraiko
Nantsoin'ny nofy mamelona akora
Toa zavona izany kanefa nilaina
Ho solika kely fitaizana ny aina

Toa feno alahelo nandretsika hira
Ny dindo navelan'ireny andro ireny
Toa ako nilefa nankany an-dakira
Kanefa tsy maty fa mbola miteny
Toa sary manjavona feno taraina
Kanefa tadiavin'ny fo ratraina.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rasamy Gitara
Vangy : 2513
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/02/2015 00:00
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4252