You are here: home > Tononkira > Rasamy Gitara

Ela nitoerana tany ho any (Rasamy Gitara)

Ela nitoerana tany ho any
Ela nandaozana ilay akany o
Izaho dia tsy tsindry
Tsy tsindry ny alahelo
Ny vetso ao anaty
Ny vetso ao anaty mamelovelo
Ny rivotr'Imanga tsaroana lava
Ka tonga ahy manembona itony tava
Ny lanitr'Iarivo tadidy foana
ka sento miavosa no manoloana.
Ambanin'io rahtononkira.serasera.orgona mainty manga.
Tandrifin'io bonga io manangasanga
Ny saina sy tonony te hanainga.
Izay tsy ho manina dia mandainga
izay tsy ho manina dia mandainga.
izay tsy ho manina dia mandainga.
veloma ry Iarivo, ilay niandohana
Akany malala izay hiafarana.
Ny saina sy toniny te hanainga.
Izay tsy ho manina dia mandainga.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Rasamy Gitara
Mpamaky : 157
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 17/09/2018 15:13:24
ID : 10982

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo