Izao no hafatro (randratelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izao no hafatro
Raha andeha tokoa ianao
Dia aoka tsy ho veloma
Toy ireny fandre ireny
Fa ho veloma tsy ankiteniteny

Dia izao no mba hafatro
Raha andeha tokoa ianao
Ka hamela ahy ho irery
Aoka mba tsy ho veloma atao an-kiry fa miherihery
Antsika samy irery

Fa teny ierana ny antsika raha hifandao
Fa tsy dradraina ho reny izao tontolo izao
Fa fifandan-daozan’olon-kendry
Tsy mba nokasaina, na koa ankinendry
…………………………………* 2
Izay no Anjara no sady tinendry

Dia izao no hafatro
Raha andeha tokoa ianao
Dia aoka tsy ho veloma
Tabataba sy tomany fa tsotra ihany
Fa miherihery
Vitany ny mifampijery
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : randratelo
Vangy : 2265
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : vatosoa.andriamiarana
Daty : 08/05/2019 15:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717