Mpiandry omby sambatra (Rambao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahavariana loatra ny mahita ireo tanora ô
Miasa nefa tsy voafetran' ora
Mikaroka no hery, toa miray tsiambaratelo
Masoandro maty no mampalahelo

Tsy mba manam-bola firy kosa izy ireny ô
Nefa koa tsy hoe mirenireny
Fa miaina an-kalalahana toa ianao izao ihany
Saingy izao re no anjarany eto an-tany

Niezaka ihany nefa tsy nahomby
Tsy iza izany f'ireo mpiandry omby
Tsy kivy anefa fa mbola nametraka tantara
D'ireo tononkalo sy ny feon-gitara

Tsy mba manam-bola nefa koa tsy mitaraina ô
Izany hono no tarigetra ilaina
Rehefa anjara ihany re ka atao ahoana moa
Mipetraka mangina rehefa voa

Tsy mba manam-bola nefa koa tsy mitaraina ô
Izany hono no tarigetra ilaina
F'efa anjara ihany re ka atao ahoana moa
Mipetraka mangina rehefa voa

Niezaka ihany nefa tsy nahomby
Tsy iza izany f'ireo mpiandry omby
Tsy kivy anefa fa mbola nametraka tantara
D'ireo tononkalo sy ny feon-gitara

Kalokalo lava, ravoravo tsikitsiky ô
Sakaizao ireo mandram-pikimpy
Zany no nataony sy nohirainy mitambatra
Dia ireo mpiandry omby sambatra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rambao
Vangy : 3315
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 01/04/2015 22:33
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115