You are here: home > Tononkira > Rambao

IKAKY SY NENY (Rambao)

IKAKY SY NENY

Adinoy ary apetraho amin’izay
F’efa mahatsiaro izahay, e e e
Ataovy toy ny rano efa niraraka ireny
O ry ikaky sy neny e e e
Zanakareo no miantso
Zay mba mamoa nefa natsatso
Koa indreto izahay re fa tonga, hiangavy anareo
Mba avelao ireo lasa, adinoy hatreo
Aza dia kobonina hifono sao mamono. Ooo

Toa tevana be no miandry anay eny
O ry kaky sy Neny, i i
Omeo hery izahay ary koa tsofy rano
Mba tsy hidiran’angano o o o
LTsiky dia ampyala-mahitsy no hombanay
Arahina hery vao indray
Koa indreto izahay re mihira, arahin-gitara
Miangavy anareo re, ny lasa ho tantara
Aza dia kobonina ao an-tratra, sao mandratra, a a a

O ry Kaky sy Neny Malala,
Moa ve efa mamanala a a a
Mamanala ve ny fitiavanareo
Sa ny saina no efa leo, o o o
Mifona re ty fo mangotraka
Izay diso lalana efa potraka
Mbola alavitra anie no hifarana ny dia
Tsy anindroa intsony koa dia matokia
Aza dia kobonina ela loatra, sao mitroatra, a a a

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Rambao
Mpamaky : 3986
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : RAFILOZOFY
Tamin'ny : 16/09/2004 02:50:21
ID : 2618

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo