You are here: home > Tononkira > Rambao

Godony (Rambao)

GODONY
Miandry anao aho, hainganà
Miandry anao, hikorana
Ianao ty ve variana sa matory andro?
Efa am’firy izao ny famantaranandro
Tonga lay masoandro be lohataona,
Mierena am’zay ka doboy re ny laona
Totorebika vary amin’anana
Atsipazo ny sandry, velaro ny tanana,
Ndeha re ranamana a !

Ô ! Ô ! Ô ! Ô !

Ianao ty ve adala, sa dia mihenahena ?
Mifohaza teo f’aza mambotry firenena !
Godogodony mba hanakoako,
Venteso am’zay ary izany lamako,
Mandrosoa ka veleso ny amponga,
Antsoy avokoa ny maro  kilonga, ô ry maro kilonga !
Ô ! Ô ! Ô ! Ô !
Ô ! Ô ! Ô ! Ô !

Mba kingakinga, fa sao dia tavela, izany rakitry ny ela,
Fa raha miaka-midina lava izao re, dia ho loza ny anao é,
Mba mihetsiketsika f’efa mazava, sady mba miran-dava,
Fa raha tsy izany dia ho zava-poana, no hita eo anoloana a!

Ô ! Ô ! Ô ! Ô !
Ô ! Ô ! Ô ! Ô !

Ianao ty ve variana sa matory andro ?
Efa am’firy izao ny famantaranandro
Tonga lay masoandro be lohataona,
Mierena am’zay ka doboy re ny laona
Totorebika vary amin’anana
Atsipazo ny sandry, velaro ny tanana,
E e ranamana a !

IanaoTsiky dia ampy ty ve adala, sa dia mihenahena ?
Mifohaza teo f’aza mambotry firenena !
Godogodony mba hanakoako,
Venteso am’zay ary izany lamako,
Mandrosoa ka veleso ny amponga,
Antsoy avokoa ny maro  kilonga, ô ry maro kilonga
Ô ! Ô ! Ô ! Ô !
Ô ! Ô ! Ô ! Ô !

Mba kingakinga, fa sao dia tavela, izany rakitry ny ela,
Fa raha miaka-midina lava izao re, dia ho loza ny anao é,
Mba mihetsiketsika f’efa mazava, sady mba miran-dava,
Fa raha tsy izany dia ho zava-poana, no hita eo anoloana a!
Ô ! Ô ! Ô ! Ô !
Ô ! Ô ! Ô ! Ô !

Ianao ty ve mikipy, sa mbola mahita ?
Miavosa loatra re, ny adidinao tsy vita !
Gorodogorodon’iBetanimena, mitsangàna teo f’aza mihenahena,
Tari-javona hitaro-jofo, no rivo-mahery hihatra amin’ny nofo, mifofofofo !!

Ianao ty ve misaina sa dia diso lalana,
Sondriana loatra ianao, ambony ty akalana !
Kopakopaho aho raha tsy ho tafampita, ity nosy ty koa aleo mba hivelatra
E ! tongava avia mikorana, antsoy avokoa ary ny ao an-tanàna! Ô ry ao an-tanàna a !

Ô ! Ô ! Ô ! Ô !
Ô ! Ô ! Ô ! Ô !
Ô ! Ô ! Ô ! Ô !
Ô ! Ô ! Ô ! Ô !
Ô ! Ô ! Ô ! Ô !
Ô ! Ô ! Ô ! Ô !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Rambao
Mpamaky : 126
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Miarokimialy
Tamin'ny : 16/05/2018 09:25:24
ID : 10604

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo