Ny maraina (Arka Zor Ama alias Ramarozaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ôôôhôhôhôôôôh!!!
Ikoto a!Ikoto a!
Ento aty letsy ilay lambako ao avarapatana ao fa maika ho any an-tsaha aho a!

Maraina ny andro andao mba hianatra
Izany ihany no anton-dia izao
Fa ratsy sady mahamenatra
Ny tsy manao ny tokony hatao
Ny fandria-malemy sy torimaso be
Ialao malakilaky miolomaiza re (in-2)

Maraina ny andro vonjeo ny fiasana
F'izany no fototry ny fandrosoana
Velezo ny vy dieny mafana
Araraoty ny andro mandeha ny fotoana
Ny fandria-malemy sy hakamoana be
Ialao malakilaky ka milofosa re(in-2)

Maraina ny andro ,voleo ireo saha
F'izany no antok'ity firenena
Ny tena vahoaka dia isika tantsaha
Raha visavisaina ny fahaleovantena
Ny fandria-malemy sy hakamoana be
Ialao malakilaky ka milofosa re(in-2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Arka Zor Ama alias Ramarozaka
Vangy : 1210
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : dahfara
Daty : 02/04/2016 21:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0711