Veloma (Ramaroson Wilson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Veloma, veloma, veloma
‘zany havako izany
Veloma, masina,masina
F’indray andro any
Dia mbola ho faly ny fo mitomany
Ka samy ho sambatra ny olona
Hifaly ary samy hifandray

Ho tonga ho mamy, ho tonga ho mamy izay voankazo handatra
Izay tafasaraka tonga ho iray
Ary samy hifamaoka izay ranomaso

Veloma, veloma, veloma
Dia mandrapihaona ampiako masina
Veloma, veloma, masina
Ambara-piveriko re mba mangina 2x
Ny foko tsy aiza, fa eo anilanao
Ho mandrakizay
Manomboka izao


Veloma, veloma, veloma
‘zany havako izany
Veloma, masina,masina
F’indray andro any
Dia mbola ho faly ny fo mitomany
Ka samy ho sambatra ny olona
Hifaly ary samy hifandray
RAMAROSON Wilson
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ramaroson Wilson
Vangy : 2346
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Natoro
Daty : 12/02/2018 08:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072