You are here: home > Tononkira > Ramaroson Wilson

Tandremonao (Ramaroson Wilson)

Na rahonana aza aho,
Ka tambazanao ho ahy
‘Lay fitiavanao iriko,
Tsarovinao, mby aiza moa
‘Reo fijaliam-panahy,
Ary koa ‘reo fahoriako,
Raha fitia ‘zay nakoloiko
No dia nolaingosanao.
Hihonona aho, raha tsy anjara,
Raha iTsiky dia ampyzay no sitrakao.

Na sondriana aza ka
Tsy hahare intsony ‘zato antsoantsonao,
Tsy tofoka aho akory
Fa malahelo ihany ‘reo tantara vitanao,
Na hidradradradra aza
Ka ho ren’izao tontolo,
Amin’izay fotoana izay,
Efa moana tsy miteny ny fitiavako anao.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ramaroson Wilson
Mpamaky : 552
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 23/10/2015 23:44:42
ID : 7812

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo