Siokan'ny manina (Ramaroson Wilson)

Mpihira : Ramaroson Wilson
Mpamaky : 1615
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 03/11/2001 18:11:05
ID : 248

Imprimer Facebook Facebook

Lahy o! Siokan’ny manina
Roy e! Siokan’ny manina
  
  Irery ami-toera-mangina
  Tsy misy izay mba iresahana
  Ny vetson’ny fo no tsindriany
  Sioka no feo iarahany
  
  Tsy fantany akory izay mety
  Mahatonga ity sioka tsy fidiny
  Fa tampoka teo, teo vetivety
  Dia lasa tsy tana tsy fidiny

Lahy o! Siokan’ny manina
Roy e! Siokan’ny manina
  
  Angamba izay mahatsikaritra
  Mihevitra azy ho adala
  Kanefa diniho maharitra
  Fa manina ny olo-malala

  Ny hira niaraha-nikalo
  No nahatonga azy hahatsiahy
  Ka taitra ny olo-, ny olo-nandalo
  Nahita azy very fanahy

Lahy o! Siokan’ny manina
Roy e! Siokan’ny manina
  
        Ny fony ao anaty izay ditsoka
        Kosehin’ny hiran’ny manga
        Ny vetson’ny sioka miritsoka
        No toy ny mameno ny banga

        Mijery izy fa tsy mahita
        Izay tiany ho fantarina tsy hay
        Raha tsy ny sioka no hita
        Tsy nety nimpody ny sainy

Lahy o! Siokan’ny manina
Roy e! Siokan’ny manina
  

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo