You are here: home > Tononkira > Ramaroson Wilson

Matoa (Ramaroson Wilson)

Matoa eh manonja, ity moron’ny rano (2x)
Dia nisy ny rivo-nitsoka azy tao
Matoa eh ny masoko manganohano
Tsy hafa fa tena alaheloko anao

Matoa eh, mijojo sy avy ny orana
Dia efa nadrahona izy io aninkeheo
Matoa koa ny foko no mangorangorana
Dia manina te ho eny akaikinareo

MaTsiky dia ampytoa misy kalo mandresy ny akora (2x)
Dia izany ny hira fanala toloka
Matoa koa ny maso nakipiko mora
Dia maika hibanjina anao ato am-poko

Matoa eh, mijojo sy avy ny orana
Dia efa nadrahona izy io aninkeheo
Matoa koa ny foko no mangorangorana
Dia manina te ho eny akaikinareo


    RAMAROSON  Wilson (Rado)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ramaroson Wilson
Mpamaky : 145
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Natoro
Tamin'ny : 12/02/2018 08:36:26
ID : 10366

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo