You are here: home > Tononkira > Ramaroson Wilson

ANGAMBA (Ramaroson Wilson)

Angamba hifaliako ny volana mitranga
An-kabakaba-manga,
Kanefa mbola tiako ny masonao mijery,
Mibanjina ahy irery,
Milaza ny fitia, manganohano ery,
Milaza ny fitia, manganohano ery,
Manganohano ery,
Angamba hafa kely ny tsiron-drano an’ala,
Madio mangalahala,
Fa mamy toa tantely ‘reo molotrao manify,
Mitsiky mena fify,
Manoroko ahy mangina,
Mandroatra fifaliana,
Manoroko ahy mangina,
Mandroatra fifaliana,
Angamba koa ho faTsiky dia ampytratra
Ny kalon’ny antsiva manako takariva,
Fa mbola tonga lafatra
Ny hiranao ngononina miantsa fisamonina,
Ny hiranao ngononina miantsa fisamonina,
Miantsa fisamonina,
Mitohoka ny sofiko ka zary nofinofiko,
Ka zary nofinofiko.
Izao tontolo izao, mirindra sy voalanto,
Fatratra sy kanto,
Anefa raha ianao, nefa raha ianao
Monja no tsy ao,
Izao tontolo izao ho tsoriko ry aina
Fa tany karankaina,
Izao tontolo izao ho tsoriko ry aina
Fa tany karankaina.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ramaroson Wilson
Mpamaky : 2794
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ni81
Tamin'ny : 29/03/2009 13:40:02
ID : 5526

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo