You are here: home > Tononkira > Ramahafadrahona

Raozy maria (Ramahafadrahona)

Raozy  maria e, eny a eny a o
Lazalazao amin'ny dadan-driako e
Ambarambarao amin'ny maman-driako e
Misento hono hoe lay nolavinareo
Misento, ny marina, mbola tia

Ny fitia e ry lahy,
Tsy hanan-tsahala e reroy
Ny fitia koa raha tsy voatandrina
ManaTsiky dia ampydala, ary manadala

Raozy maria e, eny a eny a o
Sahiko retsy ny mifanamby
Ny fitiavako an-dry feno tambitamby
Satriko foana hahita anao
Ny fitiavana akory tsy kilalao

Ny fitia e ry lahy,
Tsy hanan-tsahala e reroy
Ny fitia koa raha tsy voatandrina
Manadala, ary manadala

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ramahafadrahona
Mpamaky : 244
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 14/04/2019 10:36:35
ID : 11531

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo