Zay tianao (ft Pit Léo) (Rak Roots)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa zah ve rehefa misy fety misotro alikaola dia Alcoolique ?
Aleoko ndray zany Coca Fanta dia amin'zay zah mba Fantastique
Zah ve ra mi-roots na hoe mi-dread ?
Dia Lazaina fa hoe za m'bedo
Zay lazain'ialahy io tsisy bedy
Na hoe bôgany na koa hoe bado
Dia rehefa milatsaka an-davaka
Dia lazaina fa hoe tsy ampy vavaka
Nefa ny fiainako tsisy an'Jah dia mitovy amin'ny sipa lay tsy manao ravaka
Dia rehefa lay sendra mba tsy manam-bola
Mila ho voadaka ialahy sady vorora
Fa ny azy ny fiainany toa vita ho azy fa ny an'ialahy 'ty toa tsy mba vita mora

Samy manao zay mba mahafalifaly ny fony e
Samy manao zay mba mahafalifaly ny fony e
Fa raha sendra mba diso aza menatra mihitsy mifona e
Fa raha sendra mba diso aza menatra mihitsy mifona e

(Rak Roots)
Zah angaha raha miezaka ny ho tafita ?
Dia lazaina fa hoe zah mifitra ?
Angaha ianao taratasy malemy ? Mba mieritrereta aloha fa aza mivika
Dia rehefa mangina sy tsy mba miteny ve
Dia tsy afakan'ny ho tezitra sy hanompa reny ?
Dia ny sipa manao zipo kely mifoka sigara dia hoe makorely
Ka na sipa malemy io na sipa malama
Na tanora ianao na hoe madama
Dia ny fiainanao foana tohizana fa eto anie betsaka ny tsy salama
Na mpanakarena ianao na resevera
Na miliaridera ianao na hoe dôkera
Na mpifoka môly ianao na hoe masera
Aleo samy miaina, tsy ifampitsikera e

Samy manao zay mba mahafalifaly ny fony e
Samy manao zay mba mahafalifaly ny fony e
Fa raha sendra mba diso aza menatra mihitsy mifona e
Fa raha sendra mba diso aza menatra mihitsy mifona e

Manaova ianao raha mba mahavita fa aza be tatasiaka
Aleo mba hiakatra lay hafanana fa ny anao avelao hangatsiaka

(Pit Leo)
Fa ny hirako angaha raha malaza dia misy milaza hoe ireny Star ?
Fa zah angaha raha hoe manambady dia tsy afaka hirevy intsony azafady
Tsy any am-piangonana ihany fa 'zahay mba mivavaka rehefa any an-trano
Aza ny fiainako no tsikeraina fa tairo lay mozikako aloha tohano

Samy manao zay mba mahafalifaly ny fony e
Samy manao zay mba mahafalifaly ny fony e
Fa raha sendra mba diso aza menatra mihitsy mifona e
Fa raha sendra mba diso aza menatra mihitsy mifona e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rak Roots
Vangy : 21646
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 08/10/2015 19:38
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011