Ho anao (Ny Railovy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ireny kintana ireny
Sy iny volana iny
Raha tambazanao halaiko
Mba ho firavakao
Dia mbola ho nofinofy ihany

Iny habakabaka iny
Sy ireny rahona ireny
raha ho finidina hatrany
Mba ho fonenanao
Dia mbola ho nofinofy ihany

Fa raha ireny no firavakao
Iny habakabak’iny no fonenanao
Dia ny masoandro hamiratra eny
Ny foko tainao

Eny ny fitiavantsika
Ny miaradia am-panahy
Ka ny hira tsara indrindra
No ho kaloiko ho anao
Dia ny vetsom-poko tianao

Ka ho nofi(2) ihany izao isika izao
Dia naleko hatrany tsy nahalala anao
Saingy fitia te-hisambatra tina sy tia tafatambatra
ka ny zavatra hitany maso dia mitory fitia ankamantatra

Ho anao, anilanao
Ny vetsom-poko tianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Railovy
Vangy : 4329
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 29/10/2001 19:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.229