Tanora ô (Rafidimanantsoa sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tanora ô avy etsy hafarako ianao
Ny hajan’ny tena aza atao kilalao
Raha toa ka mitsimoka ho’aho izany voa
Tsy rariny atao ny valalan’amboa

Ka na aiza toerana ilàn-dravin'ahitra
Ny tany nihaviana omeo voninahitra
Raha sendra ka azo izay nokendrena
Aza adinoina ny vali-babena

Andehana manovo ny fahalalàna
Dia mba evitrevero izay hiafaràna
Kanefa na izany aza avela ho ngazana
Irony tanàna navelan’ny razana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rafidimanantsoa sy ny tariny
Vangy : 1336
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 23/09/2018 10:58
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3098