You are here: home > Tononkira > Rado(Rainkona)

Lasanao (Rado(Rainkona))

Amin'izay aleako dia satriko foana mba ho eo hianao
Amin'zay misy ahy, dia tiako koa mba hisy anao
Raha mandalo aditsaina aho, ilaiko hianao hampahery
Raha mandia lalatsarotra aho, aza avela handeha irery
Ny fiainako manontolo, ilaiko mba hanjakanao
Fa mahatsiaro fiadanana mantsy ny firenena manana anao

Ref:
Tena lasanao, lasanao tokoa
Ka tiako ny hanjakanao
Vatana, saina, hatraminTsiky dia ampy'ny fo, efa tena babonao
Any amin'iza indray no hitaraina, aiza indray no hitalao
K'izany indrindra no anandratako ny vavako
Raiso aho ka hanjakao

Fony nandeha irery aho tsy nisy mpiahy
Tena nahatsiaro nijaly
Tsisy nitarainana, tsisy mba natsoina, tsy mba nisy nampifaly
Fa tojo anao aho nahatsiaro fiadanana, tena afaka ny gadra
Zanak'ondry voafatotra aho ka navotanao
Ka tena hifaly avanja
Tena lasanao...sns

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Rado(Rainkona)
Mpamaky : 98
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Rainkona
Tamin'ny : 13/09/2018 23:07:18
ID : 10968

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo