Tsiky sy tomany (Raboussa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
verse 1:
Androany ny fotoana andefasako aingam-panahy
Henoy tsara ity koziko ity fa nataoko ho an’ahy sy ho an’la
Izay fifaliana ao anatiko ao
Izay lalana nodiaviko hatramizay kahatramizao
Ho an’ny akama rehetra nandao efa ela be
Tao anatin’ny pokona maro niantso fa tsy nisy nandre
Ho an’la izay heri-tsaina nandingana sarotra
Ho an’ny koziko tsy tatin’la fa hoy ela hoe mafinaritra
Ela naharitra olana bobaka nakaleo
Nirevy niaraka tamin’ny akama de tsy tadidy izay zava-niseho
Milay zany fa reveo, de amizay miodina ny daty
Fa raha zay adi-tsina hisy foana izany mandrapahafaty
Fatako, fa ela mataty na ny olana ary lasa aretina
Henoy ny vazoko hitondra heri-tsaina tsy takatr’eritreretina
Zay foana entina, hatrakao ny loha fa zany ny tany
Tsiky sy tomany

Chorus:
Hatrakao ny loha fa izany ny tany, zay ilay tsiky sy tomany
Hatrakao ny loha fa izany ny tany, hatrakao ny loha fa izany ny tany dia tsiky sy tomany
Hatrakao ny loha fa izany ny tany, dia mbola tsiky sy tomany
Hatrakao ny loha fa izany ny tany, tsiky sy tomany

Verse 2:
Lalana, fonenan’la maraina mandra-pody masoandro
Ny ao anatin’eritreritr’ela koboko amin’ny fomba fiakanjo
Ela ilay manana tanjo lazaina fa ratsy taiza
Fa ela mandresy amin’ny izay trafitra hatraizatraiza
Nanakiana ny pokona tamin’ny fiainan’la ela androany
Fa ela tsy maintsy mandresy, raha mba tsapany manko izany
Aleo ny lasa hoy aho ny lasa fa hatrakao ny lohan’la
Zanahary o, tsolovy ny lalan’ny kofboy izy lahy
Fankahalana ny an’la mamela tachy ohatran’ny loko
Tsy maha gaga izay tsy kopy raha milaza an’la fa jilamboto
Niainako izany de hinoako, ampiakarako aingam-panahy
Hitongilano amin’ny foko, de avy eo milay izany fa tsy quoi
De ny rima soratako, handefasan’la vinany
Fa itsika sy ela mitovy raha maty tsy misy mpitomany
Zany izy zany, fa ny fiainan’la hiraiko hatrany hatrany
Ilay fiainan’ny ambanin’ny tany
Tsiky sy tomany

Chorus:
Hatrakao ny loha fa izany ny tany, ........................

Verse 3:
Zandry a, henoy zay koziko izay fa indraindray mety ho marina
Hi-kozy ny hafaliana, ny alahelo sy ny tariny
Ny aingam-panahy tsy fahazarana fa fomba fanao
Rehefa ohatr’otry izao
Tao anatiko tao ho antsika sy ianao
De ze inspiraka natosika alefa anatin' maneno
Ampieritreritra ny olombelona retraretra izay mihaino
Fa ny lalana feno aretin-tsaina no koziko eto fa marina ny fanahy
Mpandresy no mitoetra ao anatin’ny feo-ko fa ny miobena
Androratako an'zay ditran’la hatrizay
Nifangaro tao ny ranomaso sy ny tsikitsiky indraindray
Ilay ditra tsy mety ho afaka fa mikoriana amin’ny ra
Raha maty ary ny fanahiko hitoetra ao anatin’la
De raha misy mi-kozy hoe jilamboto ela any aoriana any
de tadidio fa izaho izay no tiany kozina amin’izany
Fa aloha mpandresy ambonin’ny mpandresy izay rehetra aman-tany
Manomboka androany
Hitsiky tsy hitomany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Raboussa
Vangy : 15856
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 01/12/2004 17:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717