You are here: home > Tononkira > RABL

MAMA (RABL)

MAMA

Vao nikimpy ianao mama
Dia tsy nihiratra intsony
Tsy hita ho nialana nenina
Tsy afa-nanao veloma akory

Eny, na tsy sitrakao
Dia efa izay no lahatra
Nefa izahay tsy nino hatramin' izay
F' ianao dia tsy hody ao an-trano

Fiv:
Ka ny fiverenanao
No mbola hiandrasanay
Ny torimasonao anie
Tsy ho mandrakizay
Mifohaza amin'izay
Fa sasa-miandry ny fonay
Rehefa tonga ianao mama o!
Tsy ho kambtononkira.serasera.orgoty intsony izahay
Fa afaka hiantso hoe : mama indray

Enga anie ianao Ray o!
Hitahy ny fanahiny
Ka hamaly ho hasambarana
Izay mafy nentiny tety

Raha ny fahatsiarovanay
Tsy ho foana mandrakizay
Tsy ho voakosoky ny fotoana
Fa ianao dia mbola mamanay

Fiv: ....

(In2) :
Mama o, mama o ,mama o
Henonao ve ny antsonay
Mama o, mama o, mama o
Miverena modia amin'  izay
Fa tena banga anao ny fiainanay

RABL

???????????????

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : RABL
Mpamaky : 355
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : mampandrynyaina
Tamin'ny : 27/12/2017 18:53:44
ID : 10247

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo