Vonjeo (PRINCIO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lelafiko anie hataoko madio ny faladianao
Fa mba miangavy aho mba henoy aza iavonavonana
Tsetsafiko anie izay azo tsetsafina rehetra eny aminao
Fa mba miangavy ampandrosoy aza atonatonana
Fa aza avela hitogaigy ’rery eto am-bavahady
Mandadilady e, mba azafady e!
Tsy tonga hila ady e, tsy hanota fady e!
Fa mba mitady vehivavy e, ho atao fofombady e

Fa bandy mafy ady e, ambany grady e!
Ka tratry ny aza manody e, zero manatody e!
Ny fahoriana mianjady e, mampivarina an-kady e
K’aza roasina mody e, fa mila fanafody e!
Ny fiainako iany anie no mangidy e!
Fa ny fitiavako lafo vidy e!
Fitiavana mafy miridiridy e!
Omena fotsiny fa tsy amidy e!

Ianao irery ilay voafidy e!
handray ireo fitiavana sarobidy e!
Tapaho ny lamboridy e, omeo ny fanalahidy e!
Fa tratran’ny aza manody ka mila fofombady e
Ny fahoriana mianjady e, mampivarina an-kady e
K’aza roasina mody e, fa mila vonjy e!

Vonjeo (7)
Vonjeo f’aza avela hitogaigigaigy fotsiny eo!

Lelafiko anie izay azo lelafina rehetra eny aminao
Fa mba miangavy aho mba jereo aza angaringarihana
Tsetsafiko anie zay azo tsetsafina rehetra eny aminao
Fa mba miangavy aho mba atreho aza sitrisitrihana
F’aza avela ho fatin’ny hatsiaka irery eto an-tokotany
Mba jereo ihany e, fa mba mitomany e!
Tsy tonga hananihany e, tsy hoe be vinany e!
Tsy tonga hivanivany e, f’aza atao an’zany e!

Fa bandy mafy ady e, tsy mety tomady e!
Fa tratry ny aza manody e, zero manatody e!
Ny fahantrana mianjady e, mampivarina an-kady e!
k’aza roasina mody e, fa mila fanafody e!
Dia aza atao fatomaty ilay tady e!
Fa sokasokafy kely mba azafady e!
Ity vavahady anefa toa mihidy fa mba omeo fanalahidy
Anao ny safidy anao ny didy ekeo ilay fitia zay miridiridy
Fitia tsy mangidy fa sarobidy atolotra fotsiny fa tsy amidy
Fitia vita voady ka saro-pady fitiavam-bady izay tena glady
Aza hosena sahady e, fa vohay ilay vavahady e!
Fa tratry ny aza manody e, ka tena mila vonjy e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PRINCIO
Vangy : 2526
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : john heritina rak
Daty : 06/06/2016 11:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4737