Te hanaraka anao (feat Melky) (PRINCIO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref :
Lasa adala mihitsy aho vao matazana anao
Tsy te hahalala mihitsy aho fa te hanaraka anao
Fa te hanaraka anao ô

Lasa jamba mihitsy aho rehefa mahita anao
Manary lamba mihitsy aho fa te hanaraka anao
Te hanaraka Anao ah

Toa adinoko avokoa ny eto ambon'ny tany
Fa ny masaka an-doha ny ho eo anilanao ihany
Eo anilanao ihany e

Ka tsy rarahin'ny saiko izay any ambadimbadika any
Fa ny zavatra ilaiko dia ny eo anilanao hatrany
Eo anilanao hatrany oa.

........................................
Ilay endrikao izay feno tsiky vao maraina eee
Mitondra hery mampilamina ny saina eee
Ka tonga dia tamana aho ka tsy nihanana aho fa te hanaraka anao

Hummm ilay fofonao mamerovero manimanitra eee
Mamelombelon'aina ery ka mahafinaritra e
Ka tonga dia taraika aho ka tena tsy nanaiky aho fa te hanaraka anao e

Ka aza omena tsiny aho raha lasa jamba e
Fa vao nahita anao aho dia tsy naharay lamba eie
Fa tena lasa adala ka dia tsy te hahalala
Raha vao mahatazana anao dia lasa adala eee!

Ref: .....

......................................
Ilay toetranao somary tia mivazaviza eee
Ka mahafinaritra amin'ilay itiavako azy e
Ka tonga dia tamana aho ka tsy nihanana aho fa te hanaraka anao

Ilay feonao malefadefaka fiteny e
Izay mampitsonika ny foko anie ry neny eee
Ka tonga dia taraika aho ka tena tsy nanaiky aho fa te hanaraka anao e

Ka aza omena tsiny raha hoe lasa jamba e
Fa vao nahita anao aho dia tsy naharay lamba eie
Fa tena lasa adala ka dia tsy te hahalala
Raha vao mahatazana anao dia lasa adala be ee!

Ref: ......
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PRINCIO
Vangy : 6952
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 19/05/2018 10:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719