Omeo sopapa (PRINCIO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fitempon'ny foko vao mahatazana anao
Misy mandihy kilalaka angamba ao anatiko ao
Fa toa re midodoboka be tsy ankijanona
Ny tempo ho anao
Ny fiketrikin'ny saiko mieritreritra anao
Dia lasa misidina miala @zao tontolo izao
Dia tavela eo anivon'ireo roplana
Fa taraiky aminao
Toa tsy mety tafapetraka
Te hampiditra resaka
Nefa toa tsy mavita, Sady lasa rain'ny tetaka
Fa ny tahotra no betsaka ka dia tsy hitako fika
Ka mba tena miangavy aho
Ary koa mitalaho, mba omeo s'papa anie aho fa maty amnao
Ka mba atoroy @zay wa le hevitra mety e!
Azahoana ny fonao
mmmmmmh!
Efa tena mijaly aho
Mitaraina aminao
Manantena ftiavana anie f'aza atao kilalao
Efa tsy androko intsony ilay hasambarana ka mba zarazarao
Efa maty mosary aho te hanaikitra anao
Aza avela ho ramaka anie aho fa mba karakarao
Mba sojafy @zay wa lay varavarana izay makany aminao
Efa taona maromaro no mba te hifangaro, hifangaro aminao wa
Fa de mbola rain-tetaka fa tahotra ny betsaka ka dia tsy hitako ny atao wa
Ka mba tena miangavy aho
ary koa mitalaho fa mba omeo s'papa anie fa mba maty aminao
ref:Ka mba atsipazo amzay wa le fanahidy ze manidy ny fonao
Toa tsy mety tafapetraka
Te hampiditra resaka
Nefa toa tsy mavita, Sady lasa rain'ny tetaka
Fa ny tahotra no betsaka ka dia tsy hitako fika
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PRINCIO
Vangy : 7878
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rixman
Daty : 05/10/2018 13:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0911