Manaova revy milay (PRINCIO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tena mankarary fo an’ialahy mihitsy ve
Ny mahita ny akama mba lasalasa
Isan’andro ialahy be resaka, be fosafosa
Mba manaova ho’aho revy milay

Fa dia tena manahirana an’ialahy mihitsy ve
Ny mijery ny akama mba tafatafa
Fa ialahy toa tsy mijanona mitatasiaka
Mba manaova ho’aho revy milay

Fa tsy tokony hahafinaritra an’ialahy ve ho’aho
Ny mba manana akama mba misondrotra
Nefa ialahy anie vao mainka toa miharomotra
Ka mba manaova ho’aho revy milay

Tsy mba tokony hahafaly an’ialahy io ve
Ny mitazana ny akama mba misandratra
Isan’andro vaky izao ialahy manangatra
Ka mba manaova ho’aho revy milay

Tsy mba ho afaka ao an-dohan’ialahy mihitsy ve
Ilay toetra manao ory hava-manana
Manaratsy sy mifosafosa namana
Mba manaova ho’aho revy milay

Dia tsy mety hahatonga saina an’ialahy mihitsy ve
Isak’alahady ialahy any am-piangonana
Nefa ialahy anefa vao mainka be fialonana
Ka manaova ho’aho,

Ka manaova revy milay
Fa aza dia mahasosotra eo
Manaova revy milay
Fa aza be fialonana eo
Aza tia manenjika olona eo

Manaova revy milay
Fa aza dia mahasosotra eo
Manaova revy milay
Fa aza tia manely tsaho eo
Aza mitoraka bilao eo
Manaova revy milay

Tena hoe maharikoriko an’ialahy mihitsy ve
Ny mijery ny akama mba milamina
Toa vao mainka tian’ialahy ho finganina
Mba manaova ho’aho revy milay

Ilay tantara tsy mikasika an’ialahy mihitsy ve
Ataon’ialahy mampiasa saina, manahirana
Fiainan’olona io fa aza mba idirana
Mba manaova ho’aho revy milay

Tsy mba ho afaka ao an-dohan’ialahy mihitsy ve
Ilay toetra manao ory hava-manana
Manaratsy sy mifosafosa namana
Mba manaova ho’aho revy milay

Dia tsy mety hahatonga saina an’ialahy mihitsy ve
Isak’alahady ialahy any am-piangonana
Nefa ialahy ho’aho toa vao mainka be fialonana
Ka manaova ho’aho,

Manaova revy milay
Fa aza dia mahasosotra eo
Manaova revy milay
Fa aza be fialonana eo
Aza tia manenjika olona eo

Manaova revy milay
Fa aza dia mahasosotra eo
Manaova revy milay
Aza tia manely tsaho eo
Aza mitoraka bilao eo

Ka manaova revy milay
Fa aza dia masosotra eo
Ataoko mihinan’ny fatiny eo
Manaova revy milay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PRINCIO
Vangy : 4286
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 11/06/2019 20:38
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119