Ampy izay (PRINCIO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nanananana ampy zay
Nanananana tena ampy zay

Fa inona ity ataonao ity ry dadatoa
Fa ianao ve lasa adala sa mivadika ati-doha
Tsy hitanao ve ilay vahoaka fa efa tena tsisy apoaka
Fa sahirana, mijaly, tsisy vary, tsisy laoka
Ny vahoaka efa tezitra no sady very hevitra
Nefa ianao moa toa tsy taitra fa variana mihevotrevotra
Jereo aloha ny vidim-piainana midangana be
Nefa anie 'lay mpitondra vao mainka mampihomehy

Ny sécurité efa dangéré
Be dia be ireo voatifitra dia dangy erý
Dangy eroa, dangy etý
Voatifitra amin'ny basy kalachnikov
Ny kalachnikov no malaky mikozy
Tsy antenaina intsony ny mpitandro filaminana
Fa ny sasany amin'ireo aza misy mampihinana
Nandrandraina ho tandroka ambony vozona
Toa nivadika ho tandroka miaro ny vodiny

Efa mihinana ny ampangony avokoa ny iray tanàna
Nefa toa tsy maka lagy ilay mpitondra fanjakana
Ny vahoaka madinika indray no maty lako
Misotro rano maloto ary mihinana fako
Maty lako isan'andro ohatran'ny olona voasazy
Amin'ny delestazy sy ny ambotaiazy

Ny vahoaka mba miantso ny mpitondra ao an-dapa - hoe
Mba vonjeo izy ireo ka mba omeo sopapa
Nefa anie ny ao an-dapa tsy mety mahatsapa
Ny ao an-dapa tsy mahatsapa fa variana mikapa
Mikapa mikapa mikapa mikapa
Mikapa an'ireo hazo sarobidy, zay amidy hahazoana volabe
Volabe volabe volabe volabe sôsy be
Tsy hanasoavana ny daholobe
Fa hanaovana kolikoly be
Zarazaraina amin'ireo députés

Ampy zay, ampy zay, ampy zay
Tena ampy izay
Ampy izay
Ilay resaka maloto
Ampy izay
Ilay resaka malety
Ampy izay
Ilay fanjakana jiolahim-boto
Tena ampy izay
Ajanona fa tsy mety
Ampy izay
Ilay kolikoly
Ampy izay
Tena tsy ekena intsony e
Ampy izay
Tena ampy izay
Ampy izay

Ny vahoaka efa mijaly mitaraina marary
Tsisy laoka, tsisy vary, toa tsy mety zarizary
Efa tsy mahita arapaka fa maty mosary
Tena kivy sady ketraka fa tsisy raha manjary
Ny fahoriana mianjady efa tena tsy tanty
Nefa mbola ampiandrasina amin'ny 2030
Efa reraka ny saina, efa trotraka ny vatana
Nefa mbola ho elabe 'lay hoe Fisandratana
Efa tena lalim-paka tokoa ny fahantrana
Nefa toa tsy taitra mihitsy ho'aho ilay manampahefana
Fa variana migalabona amin'ny vola sy harena
Dia hadino avokoa ny mpiray firenena

Ilay zava-misy anefa degany be
Ampy zay, ampy zay
Nefa toa tsy mety tonga saina mihitsy ramose
Ampy zay, ampy zay
Hoe tena tsisy fika intsony fa aza mampihomehy
Ampy zay, ampy zay
Fa aleo averina amin'ny tompony amin'izay ny lakile
Tena ampy zay
--------
Rohy:
Hevitra
Freddyco ( 03/09/2018 05:25)
Misaotra Betsaka Hoan'ilay nampiditra a....Tiako be ilay hira.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PRINCIO
Vangy : 2096
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 29/08/2018 21:42
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119