Life'nay [ft WILLKIM , TYPIKALO (Rajdy , Tann Faya)] (PrincesS K-Raille)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lay life'naynay
K-Raille Bona street
'Lay life'naynay
Willkim ho an'zay miaino
'Lay life'naynay
[K-Raille]
Isa roa telo tsika samy nianatra nanisa
Ts'nisy nahay nijoro raha ts'nampianarina hamindra
Ho lavitra ny lala-ko ombana k'n'iza n'iza hanakana sy hanery
Mozika entiko hanamaivana , na ratra io na fery
Sanatria hanimbazimba anareo RAD
'Zay lolohavina an-tapon-doha f'aleo 'zay mba hiteny
Mozika io ! Rap io ! iainako rahatrizay io zama
Na iza faly na iza tsy faly tohizako foana io papa
F'antsoy ah' hoe princess K-Raille , tsy miandry taraiky
Tairo 'zay tairina iarahana manaiky
Tsy hidongy sehatra na halaza maika
F'hanandra-peo, ka tsy ho tapenam-bava
'Zay koa efa leo mandefitra lava
'Zay manelingelina 'ty raiso ny R à F
Tsy rudeboy fa nampianarina ho real meuf
Ho an'ireo mpilalao afo tandremo sao may
Represent Bona Street lesy ambodi-mic !!!
Chorus [Rajdy]
Ataonay mozika 'zay navoakan'ny ho avy
'Zay vokatry ny ho avy na tsara na ratsy
Ho tsara tahiry , ny lasa tsy fanadino
Iveriberina itamberina an-tsaina 'zay tafa , ny ratsy ario [x2]
[Willkim]
Tsy ho lavitry ny A B D na ny taloha na ny ankehitriny
Avoaka foana ny rima ny hafa toa variana
Niezaka foana anao 'zay izy, nizara fifaliana
'Ndraindray mba nanakiana
Anaty moov mila masah', teste teste mic eto ataoko masiso
Ny tsara atao fanao, ny hafa hahatadidy hatramin'izao
Ny mozikanay mihely hatrany an-tsit'hita
Yeah, 'Zay mi-peace dia peace, 'zay mi-fuck dia fuck
Willkim lesy bandy mahatanty saoka !
Miala any 'zay, mikisana daholo
Miala 'zay foza, andana 'lou mody
'Zay tsy hitanisa n'vitanay fa hitanay
F'efa anisan'ny kintana, hitanao
Mozika Rap no hilofosanay, ny asanay
Mampi-kiff anao hatreto mbola vitanay
Chorus [Rajdy]
...
[x2]
[Tann Faya]
Yeah ! 'Zay tsy mitamby @ho vitanay
'Zay tsy mitady an'izay tsy hitanay
F'zay manontany @lay hiranay hoe maty ve nareo
Rah' 'zay mba miaina an'lay fiainanay ???
'Zay tsy mitady hoe hifandona
F'zay miangavy hoe mba ho enoina
Tsy ho tsininay ny maha-tann'ora
Willkim K-Raille 'ty Tann Faya valio mora
[x2] F'zay 'lay mandatsaka dia miaraka romotra
Rehefa nandefitra 'zay dia manohatra
Rehefa tsy zaka 'zay mila manohitra
Miakatra foana ny anay f'tsy miondrika yeahh
Ento milamina ihany sao very
F'zay mila malalaka f'tsy ho ataonao tery
Chorus [Rajdy]

[x2]
(Yeahhh)
(mmmhhhhh mmmmmhhh mmmmhhh)
(yeahhh)
(mmmmhhh mmmmmhhh mmmmmhh)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PrincesS K-Raille
Vangy : 1668
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ricam26
Daty : 11/11/2016 11:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072