Anjarako Ianao (PRaaLs)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Taona maromaro izay
no niarahantsika roa tsy zava-poana
nandalo teo 'reo sedra nahamay
nefa izaho sy ianao dia teny foana

Vonona aho anio amin'ny fo madio
ny hiara-dàlana aminao mandrakizay
tsy an-katerena, fa an-tsitrapo
ilay safidiko rahatrizay

Fiverenana: Mino aho fa ianao 'lay anjara ho ahy
ho fifaliako ka ho ahy irery ianao
tena tiako ianao aza manahy
fa anao sy ny andronao sisa aho
Anjarako ianao

Ho porofoiko anao anio ilay fitiavako
ka ho tanterahiko ilay toky nomeko
hoe ianao, hoe ianao ho ravaky ny tokan-tranoko

Ka raiso ny tànako
fa manomboka eto dia ho eo anilano foana aho
tsy hamela anao irery
satria ny foko efa niteny hoe anjarako ianao

Fiverenana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PRaaLs
Vangy : 2707
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Naaly
Daty : 28/01/2016 12:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1505