Zava-poana (Poopy)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Poopy
Mpamaky : 882
Nampidirin'i : elle5
Tamin'ny : 12/09/2012 12:34:39
ID : 6185

Imprimer Facebook Facebook
Nijery aho ka nahita, Fa maro no maniry
Ny fiainany ho tafita, Ahazo izay iriany
Toa zava-poana ihany izany Tompo ô !
Raha tsy eo ny fitahianao
F’iray minitra fotsiny ihany Tompo ô !
No amongoranao izany
Fiadanana mandalo, fifaliana tsy mitoetra
Fahasambarana miserana, Zany no anjaranay

Izay harena eto an-tany, mora simba mora lany
Ny fitia miovaova, toetra ratsy zary lova
Toa zava-poana ihany izany tompo ô !
Raha tsy eo ny fitahianao, f’iray minitra fotsiny ihany tompo ô !
No amongoranao izantononkira.serasera.orgy
F’izay rehetra anananay, izay rehetra iainanay
Zava-poana avokoa, raha tsy avy aminao tokoa

Toa zava-poana ihany izany tompo ô !
Raha tsy eo ny fitahianao, f’iray minitra fotsiny ihany tompo ô !
No amongoranao izany
F’izay rehetra anananay, izay rehetra iainanay
Zava-poana avokoa, raha tsy avy aminao tokoa

Tsy misy fiadanan-tsaina raha tsy ao aminao
Fankafanahy karakaina, izay tsy mandray ny teninao
Izay rehetra ananay, izay rehetra iainanay
Dia zava-poana avokoa, raha tsy avy aminao tokoa


Avy aminao tokoa …



Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo