Tsy natolony (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nihiratra ianao ka nifoha tamin’ny torimasonao
Gaga ianao fa tsy tao ilay nofidinao
Mba hitantana anao amin-dàlan-tsarotra
F’efa lasa nandao nidify lavitra
Fa toa adinony avokoa irony toky fitaka
Izy nisitaka

Ny sitrapony vitany nefa ianao feheziny
Ilay fahafahanao toa nitsahiny
Tsy tsaroany fa ireo toky sy dina
Nentiny nambabo anao
Hay rotsirotsy fotsiny hampatory anao
Hitanao izao f’ilay fitiavany
Dia tsy natolony ho anao fa ho an’ny tenany

Soa fa nihiratra ianao ary teo no tsapanao
Fa hay ilay fiainanao nataony kilalao
Ka ilay taratra tonga mba nanaitra anao
Nohezahiny indray ataony kitroka
Izay nifikitra aminao satria mantsy ao aminao
Ny mamy tavaniny



http://www.multimania.com/schmilblik/malagasyrainb.html
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 12322
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 21/10/2001 23:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7074