Toa anao (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy mahafantatra
Izay ao am-poko ao
Ka na hoe maloka manjombona
tsy afaka aseho anao
Fa na dia te hitroatra aza aho
Ianao tsy mihevitra
Izaho anie olona nofo sy ra
Toa anao mba manan’olana

Koa anio mibaboka eto aho
Tsy anjely akory
Fa toa anao ihany
Koa izao, izaho mba mitalaho
Aza dia hetraketrahinao

Izaho tsy mahafantatra
Izay andrasanao
Sao ianao diso ka mihevitra
F’izaho tonga lafatra
Ianao tsy mahatsikaritra
Tsy te hahalala akory
Indraindray mba marary anatiko ao
Fa tsy mahahontsa anao

Ka aza dia manampatra
izay sitraponao
Izaho anie olona nofo sy ra
Toa anao ka mibaboka.

Tsy anjely aho.

Source: http://www.multimania.com/schmilblik/fitia.html
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 7227
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 21/10/2001 23:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765