Tena namana (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ho be filaza aho f’aleo ny tantara no hitsara,
Tsy hiteny lava aho fa izay ataoko ho hitanao.
Betsaka ny teny fa ny tokana ambarako;
Ireny vita ireny sy ny mbola ho avy ihany koa.

Be ny efa vita mbola maro koa ny azo atao,
Ndao hiara-mita fa izaho ho toky ho andrinao.
Ka raha mbola nisy zavatra tsy mety ka natao,
Tsy ho be fa vitsy satria efa mba niezaka aho.

Ref Ny toky omeko anao tsy ho poak’aty,
F’izaho ho namanao foana mandra-maty.
Amin’ny andro sarotra aho dia ho hitanao eo
Anilanao tsy mba mandao
Fa namanao.

Tsy mb’izaho mihitsy no handeha hivadika aminao.
Izaho tsy hitsitsy raha mbola misy azo atao.
Ts’izaho velively no haka izay ampelantananao,
Na koa hiteny hanaratsy indray ny fiainanao

Ref...

Tsy izaho mihitsy no hivadika
Tsy izaho no handroba anao
F’izaho ilay tena namanao
tsy mba mandao anao

Ref...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 18667
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 21/10/2001 22:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012