You are here: home > Tononkira > Poopy

Mitodiha (Poopy)

Imprimer Facebook Facebook
O ! ry velona rehetra, mandiniha sy mihevera
Mbola tia anao ny Ray, ka mamela ny hadisoanao
Aza ataonao tsinotsinona ny fitahiany,
Ndrao handatsa lahy, hanenina any aoriana
Fa saingy tara loatra

Ialao dieny izao, ny avonavon’ny fonao
Aza dia mirehareha amin’izay vitanao
Fa ho simba sy ho lavo, sy ahetriny ianao
Ary koa, hampijaliana noho ny toetra ratsinao

O ! ry velona rehetra, mandiniha sy mihevera
Mbola tia anao ny Ray, ka mamela ny hadisoanao
Aza ataonao tsinotsinona ny fitahiany,
Ndrao handatsa lahy, hanenina any aorianatononkira.serasera.org
Fa saingy tara loatra

O ! ry velona rehetra, mandiniha sy mihevera
Mbola tia anao ny Ray, ka mamela ny hadisoanao
Aza ataonao tsinotsinona ny fitahiany,
Mitodiha ianao hanantona ny Ray
Fa izany no faniriany

Mihevera dieny izao, ny amin’ny hitsarana anao
Azonao antsaina ve ho aiza no alehanao ?
Manàna fanantenana, fiainana mandrakizay
Sa hijaly tsy ho afa-bela amin’ny afo mahamay

Mihevera dieny izao, ny amin’ny hitsarana anao
Azonao antsaina ve ho aiza no alehanao ?
Manàna fanantenana, fiainana mandrakizay
Sa hijaly tsy ho afa-bela amin’ny afo mahamay

O ! ry velona rehetra, mandiniha sy mihevera
Mbola tia anao ny Ray, ka mamela ny hadisoanao
Aza ataonao tsinotsinona ny fitahiany,
Mitodiha ianao hanatona ny Ray
Fa izany no faniriany

Hametraka hevitra

Midira aloha
Mpihira : Poopy
Mpamaky : 860
Nampidirin'i : elle5
Tamin'ny : 30/07/2012 11:01:55
ID : 6141

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo