Mihanta (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hey, avelao hanaraka anao any aho
Fa aza avela hitoetra tsy anilanao
Zaho tsy hanelingelina tsy haninona
Fa hipirina
Tsy hanankorotana tsy haninona
Fa hangina ihany

Fa raha tianao
Hanaraka anao any aho
Dia minoa ahy ianao
Fa ts’isy hanenenanao
Zaho tsy hanankorotana tsy haninona
Fa hampiadana anao
Tsy hanelingelina ’zaho f’hampilamina anao

Fa hanaraka anao foana aho
Na aiza tany misy anao
Tsy avelako ho irery ianao
Sao ho tratran’ny faka-panahy
Ny ratsy tsy kely làlana
Ka tsy ho avelako irery ianao
Dia hilamina izaho sy ianao
Tsy misy ny ahiana hifamaofao
Fifaliana fahasambarana no iarahana, iarahana

Hey, avelao, hanaraka anao any aho
Fa raha tianao hanaraka anao any ho
Ka hilamina tsara ny dianao, anilanao
Tsy hanelingelina aho anilanao

Source: http://www.multimania.com/schmilblik/fitia.html
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 6578
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 21/10/2001 23:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012