MIFONA (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aoka re tsy ho tsiniko
Ry Tompoko Andriamanitro , ny teniko sy ny fitarainako
Eny fantatro tsara moa
O ry Tompoko Andriamanitro ny andrasanao
Ka tokony aharitra aho


Nefa fantatrao ny ao am-poko ao
Fa mitady hanjaka ao ny ratsy
Te hamaly anao hoe ahoana moa no angina koa
Fa ianao iankinako tsy hitako
Ka iantrao fa inona moa izahay anatrehanao
Mba iantrao diovy ny fonay
Sitrano ny ahiahy arovinai zahay


Efa fantatrao fa mpanota aho
Nefa mbola niantso anao
Ry Tompoko Andriamanitro
Fa amin’iza moa no hitarainako
Raha maizina ny fiainako tsy ho aminao
TOMPOKO
E fantatrao,ny fo sy fisainanay
E tsinontsinona
Mba hiantrao avy amin’ny teninao
Sitrano ny ahiahy
Arovinao ’zahay


AZA ELA RY TOMPO AFAHO NY ZIOGAKO



Auteur:POOPY
Compositeur:NAIVO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 5030
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RATSARAZAKA Manitra
Daty : 18/12/2002 16:41
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5781