You are here: home > Tononkira > Poopy

Mifameno (Poopy)

Avelao aho eto anio
Hitanisa aminao
Ny bitsik’io foko io
Fa misy toy zao
Nandalo tao ny tadio
Fa tsy nahafafa anao
Hay moa io foko io
Efa voatombokao hmm...hmm...hmm...

Réf:
Izay tontolonao
Tsy maintsy misy ahy o o
Fa misy banga izay atao
Raha toy ny iray tsy ao, tena iray
Fa natao hifameno
Tsy afa-misaraka o o
Tsiky dia ampy
Izay no efa voasoratra
Iray izaho sy ianao

Eny olombelona izaho
Ka lehilahy ianao
’Lay taolan-tehezanao
Tsy hafa fa izaho
Raha hira iray izaho sy ianao
Dia miainga amin’izao
Hoe feon-kira ianao
Izaho no tononao

Réf ....

Raha toa ka tsiky :) aho
Ianao no antony
Raha toa ka vetsovetso aho
Avy eo imolotrao no ipoirako.

Réf ....


Hevitra mandeha

prydzeric0 (20/02/2018 08:44:37)

Miarahaba ô.. Fa maninona kay ny hira rehetra nampidiriko tato amin'ny tononkira malagasy no mbola tsy mipohitra foana hatramin'izao nefa efa ela be no nampidiarako azy tato. Misaotra indrindra

ranoharisatav18 (06/02/2018 11:51:12)

Tiko be mihitsy io hita io ! Za aloha dia mpankafy poopy .misaotra anareo

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Poopy
Mpamaky : 9148
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Nathlye
Tamin'ny : 24/01/2004 04:24:18
ID : 1934

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo