You are here: home > Tononkira

Mandrapihaona (Poopy)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Poopy
Mpamaky : 763
Nampidirin'i : elle5
Tamin'ny : 12/09/2012 12:34:20
ID : 6186

Imprimer Facebook Facebook

Ny andro moa hariva
Ny masoandro aza efa tolaka
Eny marina,satry foana hiara-hilanonana
Antenaina fa tsy ho sorisory no isarahana
Irariana koa, mba ho soa
Ny fahatsiarovana anay
Ka izay fotoana niarahana
Hitoetra lalandava ao am-ponay

Mandrapihaona indray
Mandrapihaona vetivety, eny na satrinay
Mbola hitohy foana ny fety
Eny veloma indray
Ka maTsiky dia ampynantena ny  mbola hihaona
Hiaraka eto indray
Eny veloma mandra-pihaona

Saotra sesehena
Sy mitafotafo no atolotray
Tsy adino anie
Ny fitiavanao ka dia hisaoranay
Fa ny soa atao
Hilevenam-bola tsy hanenenanao
Ilay Ray ambony ao
Hamaly soa anao, amin’ny fiainanao
Ka izay fotoana niarahana
Hitoetra foana ao am-ponay

Yeah !! Yehh ! Yeah ! Yehh ! Yeah !!!!!
Mandrapihaona...

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo