Mandra-pihaona (Poopy)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Poopy
Mpamaky : 1362
Nampidirin'i : pela
Tamin'ny : 03/08/2008 22:08:19
ID : 5315

Imprimer Facebook Facebook
Ny andro moa hariva
Ny masoandro aza efa tolaka
Eny marina satry foana hiara-hilanona
Antenaina fa tsy ho sorisory ny hisarahana
Hirariana koa mba ho soa ny fahatsiarovanao anay
ka izay fotoana niarahana
hitoetra lalandava ao am-ponay

Ka mandra-pihaona indray
Mandra-pihaona vetivety
Eny na satrinay mbola hitohy foana ny fety
Eny veloma indray ka manantena mbola hihaona
Hiaraka eto indray
Eny veloma mandra-pihaona

oh, oh, oh
oh, oh oh oh,
oh,  oh oh

Saotra sesehena sy mitafotafo no atolotray
Tsy hadino anie ny fitiavanao
Ka dia isaoranay
Fa ny soa atao levenam-bola
Tsy hanenena a
Ilay Ray ao ambony ao
Hamaly soa anao amin’ny fiananao
Ka izay fotoana niharana
Hitoetra foana ao am-ponay

Mandra-pihaona indray ...



Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo