MAMELA NY HELOKAY (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho mandra-paha-oviana ny molotray no tsy handainga aminao? mba ho sitrakao?
Ho mandra-paha-oviana ny masonay vao hibanjina anao?
Fa toa tsy menatra akory izahay,hafa no ambara, dia hafa no ataonay
Toa tsy matahotra intsony nefa tena manota aminao
Eny ry Ray ô!

Ho mandra-paha-oviana no hirehareha am-panahy izahay? Toa tsy menatra?
Ho mandra-paha-oviana ny toetranay vao ho dinihinay
Fa toy ny maty eritreritra,hafa no ambara dia hafa no ataonay
Dia tsy mihevitra akory f'efa tena manota aminao


Chorus:
Dia nanadino indrisy f'izay rehetra misy dia avy aminao
Mirehareha izay tsy izy ho tena mpanompo mahatoky anao


Mbola sahy mitanisa ny teninao sy ny didinao ts'isy tahotra
Dia sahy manantena ho ambininao sy ho arovanao
Tsy misy henatra intsony miteny ratsy ny anaranao
Satria ny loton'ny fony sahy milaza ho mpanomponao


Chorus:
Niseho ho marina loatra ka lasa notroatra sahy nandà anao
Mifoko ery hahamboatra ny marina ho azy no ho arahinao
Dia nanadino indrisy f'izay rehetra nisy dia avy aminao
Mirehareha izay tsy izy ho tena mpanompo mahatoky anao


Ho mandra-paha-oviana ny hambonay no handrendrika anay anatrehanao?
Ho mandra-paha-oviana no handàvanay ny hadisoanay?
Soa tsy lany ho laniana ny fitiavanao sy faharetanao tena tia anay
Soa, ary izany sisa no anantenanay ny famelànao.


Auteur: Poopy
Compositeur/arrangeur: Naivo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 6666
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : mihantasoa
Daty : 29/08/2010 15:54
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128