Izy roa ihany (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hay moa ny amin’ny topi-maso aza misy lanjany
Raha tena tia
Hay moa ts’isy feo nefa miteny ireny rehetra ireny
Raha mifankatia
Tsy misy mahalala afa-tsy izy roa ihany
Izay ambarany
Ny hiaka sy ny tsafa manenika ny fon’ilay tia
Hay moa afaka manova ny haizina aza indray
Ny tsiky iray
Hay moa mahasitrana izay ratra ao am-po indraindray
Ny tsiky iray
Tsy misy mahalala afa-tsy izy roa ihany
Izay ambarany
Ny hiaka sy ny tsafa manenika ny fon’ilay tia
Hafa raha samy hafa
Ts’isy teny mba tafa
Fa toa lanitra hafa no ialofan’izy ireo
Izany no tena sambatra
Mifanojo fitiavana
Ka miandrandra ny lanitra
Mba hitoetra sy haharitra
Ilay fitia
Hay moa misy koa tsy miteny milaza tia
Rehefa tia
Hay moa fa ny doboky ny fony no efa ren’ny ary
Ankilany
Tsy misy mahare afa-tsy izy roa ihany
Izay ambarany
Ny hiaka sy ny tafa manenika ny fon’’ilay fitia
Hafa raha samy hafa
Ts’isy teny mba tafa
Fa toa lanitra hafa no ialofan’izy ireo
Izany no tena sambatra
Mifanojo fitiavana
Ka miandrandra ny lanitra
Mba hitoetra sy haharitra
Ilay fitia
Ts’isy mahalala izay ambarany
Tsy mahalala izay ambarany
Ts’isy mahalala izy roa ihany
Izay ambarany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 6146
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : laolina
Daty : 23/11/2007 09:45
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2488