Gasy (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza simbana ny maha malagasy
Aza simbana amin’ny fanahy ratsy
Aoka tsy hiady f’iray ihany ity nosy
Na samy hafa fombafomba tsy mitovy

Tia fihavanana
Fifankatiavana
No ahafantarana ny tena malagasy
Ny fahendreny koa
tsy manam-paharoa
Tsy mahamenatra ny maha-malagasy

Iray ihany rehefa malagasy
Iray aina ary koa iray vatsy
Aoka tsy loko no avela hampizara
Fa malagasy mikatsaka ny tsara

Source: http://www.multimania.com/schmilblik/fitia.html
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 4873
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 21/10/2001 23:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9305