Aoka ihany (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandalo teto nitady hono ianao
Nidobodoboka ny foko injao
Ho to ihany ve ilay faniriko
Ka ho tia ahy ilay olona tiako
Izany izaho toa tsy mandia tany
Ka sady faly no toa te hitomany
Mihovitrovitra ny anaty rehetra
Ssao nofy ihany izany ka misy fetra

Inona anefa no ’ndeha ho antenaiko
Mifendrofeendro toa miha- kely ny aiko
Sao sanatria tsy fitiavana akory
Ty antsonao efa tsy mampatory

Nihazaakazaka aho hitady anao
Sao tsy hiverina in-droa ny toa izao
Nisalasala toa manadala
Ahoana raha tsy tia ahy ianao?
Inona ary no nitadiavanao
Tsy fombafombanao ny toy izao
Sao zavatra hafa ilainao tafa

Tsy ho any indray aho sao marina izany
Hahamenatra ahy ny ho hitanao hitomany
Ny tsara angamba dia aleo aho mody
Ka manadino anao no fanafody.

Inona no itadiavanao ahy.

Poopy
Compositeur : Naivo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 5467
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 27/08/2002 14:11
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2038